| Entry | 1 Ny Tanindrazako |
| Elementary words | 2 tany, 3 razana |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
|
| Publishings |
1907/02/22. |
| Full text |
7 8 Mba mamiko toy ny tantely 9 Izay tanindrazako izay, 10 Fa toa fonenan’anjely 11 Tsaroako mandrakizay 12 Mba reko fa misy ny tany 13 ‘zay tsara dia tsara tokoa 14 ny ahy tsy latsak’izany 15 fa tany mba be zava-tsoa. 16 Ny rivotra izay mba mitsoka, 17 Mampody ny aiko tokoa 18 Ny volana tsy mba misoka, 19 Iriko ho endriny koa. 20 Ny vorona raha mihira, 21 Manaitra ny saina sy fo 22 Ny hazony miantso : “midira” 23 Fa eto no mahafa-po. 24 Ny taolan’Idada malala, 25 Mitana ny aiko ho ao, 26 Ny saiko dia toy ny adala, 27 Tsy miala fa ao aminao. 28 Mitana hiorina mafy 29 Ny tenan’Ineny tsy foy, 30 Aleoko ho olo-mihafy 31 Fa izy tsy azo nafoy 32 Fonenan’ny olo-malala, 33 Fonenan-tsy tiana ho lao, 34 Ny tiana tsy manan-tsahala 35 Tsy hita tsy ao aminao. 36 Ny kintana tena mazava 37 Mazava malefaka koa 38 Ny volana no mampisava 39 Ny aizina tsy mahasoa. 40 Ry tany malalako loatra, 41 Ny foko dia manina anao, 42 Na lavitra aza hihoatra, 43 Fa tsy tody raha tsy ao aminao. 44 Misento mahalana ihany 45 Ny foko raha lavitra anao 46 Ny hehiko zary tomany, 47 Ny tsiky tsy azo natao. |
| Updated on 2025/11/17 |
|